Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko voalohany

1 Paoly, Apostolin'i Jesoa-Kristy noho ny sitra-pon'Andriamanitra, mba hitory ny teny fampanantenana izay ao amin'ny Kristy Jesoa,

2 mamangy an'i Timote, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po amam-piadanana, avy amin'Andriamanitra Ray, sy ny Kristy Jesoa Tompontsika. 3 Misaotra an'Andriamanitra izay tompoiko amin'ny saina madio aho, araka ny nataon'ny razako; ary tsy mitsahatra ny mahatsiaro anao andro aman'alina amin'ny fivavahako.

4 Tsaroako izany ranomasonao, ka maniry hahita anao aho mba ho feno hafaliana. 5 Tsaroako koa ny finoana tsy misy fahony ao anatinao, izay nitoetra tao amin'i Loisa renibenao taloha, dia tao amin'i Eonisa reninao indray, ary matoky marina aho fa ao aminao koa izao. 6 Noho izany, mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin'ny fametrahako tànana taminao.

7 Fa tsy fanahy osa no nomen'Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena. 8 Koa aoka hianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin'ny herin'Andriamanitra,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735